FishBase
Ny FishBase dia angon-drakitra maneran-tany momba ny karazana trondro (indrindra fa ny trondro misy vombony). Io no angon-drakitra an-tserasera lehibe indrindra sy be mpampiasa indrindra amin' ny trondro misy vombony an-tranonkala. Rehefa nandeha ny fotoana dia nivoatra ho fitaovana ara-tontolo iainana mavitrika sy azo ampiharina amin-javatra maro izay anaovana tonon-tsiahy be dia be ao amin' ny lahatsoratra avoakan' ny manam-pahaizana.
Manome angon-drakitra feno momba ny karazan-trondro misy vombony ny FishBase, ao anatin' izany ny fampahalalana momba ny taksônômia, ny fitsinjarana ara-jeôgrafia, ny biômetria sy môrfôlôjia, ny fihetsika sy ny toeram-ponenana, ny ekôlôjia sy ny hetsiky ny vondron-trondro amin' ny toerana iray ary koa ny angona momba ny fananahana, ny metabôlisma ary ny fototarazo. Misy ny fidirana amin' ny fitaovana toy ny piramida trôfika, ny fanalahidy famantarana, ny môdely biôjeôgrafika ary ny antontan' isa momba ny jono ary misy rohy mivantana amin' ny habetsahan' ny karazana ahafahana miditra amin' ny fampahalalana ao amin' ny tahiry hafa toy ny LarvalBase, ny GenBank, ny IUCN Red List ary ny Catalog of Fishes.
Tamin' ny Febroary 2024 dia nahitana famariparitana momba ny karazana sy zana-karazana 36 100 ny FishBase, miaraka amin' ny anarana iombonana 332 100, sary 65 300, ary fanondroana asasoratra 67 600 ao amin' ny literatiora siantifika. Misy fitsidihana 700 000 eo ho eo isam-bolana ilay tranonkala.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: https://fishbase.net.br/search.php